<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ry mino ô, avia re !
 Hiara-mankalaza
 Ilay Mpanjaka lehibe,
 Fa tena mahagaga
 Sy sarobidy anie
 Ny fahasoavan-dehibe
 Nomeny ho antsika.

[V2]
 Tsy asa soa vitako
 No tokiko anefa,
 Fa ny Andriamanitro
 No tsy nisalasala
 Hanafaka ny otako,
 Nomeny mba ho avotro
 Ny Zanany malala !

[V3]
 Jesosy faly eram-po
 Hamonjy ahy very,
 Ka azoko ny indrafo.
 Izay vitan'Izy irery
 Izaho tena afa-po.
 Tsy misy atahorako,
 Izaho tsy ho very.

[V4]
 Jesosy Kristy Tompo ô !
 Izaho ta-hamaly
 Ny teny fiantsoanao :
 « Mba manatòna Ahy !
 Izaho dia ho anao,
 Ho Ahy kosa hianao »
 Ka manampia ahy.

[V5]
 Ny ranao soa nitete
 No nanadio ahy
 Ny ainao sarobidy re
 No nanavotana ahy
 Mba hitokiako anie
 Ny famonjena lehibe
 Natolotrao ho ahy.

[V6]
 Isaorana eram-po anie
 Ny Tompo Zanahary,
 Fa Izy efa nanome
 Ny Zanany nijaly,
 Ka ny devoly lozabe,
 Ny Ho resy sy ho faty.
 ota sy ny heloka</lyrics>
<title>Ry mino o, avia re! FFPM120</title>
<hymn_number>120</hymn_number>
</song>